Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Vonoan’olona teny Ambohitrarahaba : Nalefa eny Antanimora ireo ankizy roa sy ilay mpiasa vavy ary lehilahy iray

    Vonoan’olona teny Ambohitrarahaba  : Nalefa eny Antanimora ireo ankizy roa sy ilay mpiasa vavy ary lehilahy iray

    Vita omaly hariva, tokony ho tamin’ny 7 ora teo, ny famotorana nataon’ny fitsarana momba ny ankizy,  ireo olona enina voarohirohy tamin’ilay vonoan’olona teny Ambohitrarahaba ny talata teo. Olona efatra naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ary roa nahazo fahafahana vonjimaika. Ireo ankizy roa, ilay tovolahikely 13 taona, ilay tovovavikely 15 taona sy ny dadany, ary ilay mpanampy 16 taona. Nahazo fahafahana vonjimaika ireo mpivady nampiantrano ilay mpanampy teny Manandriana Sabotsy Namehana.

    Olona valo niatrika ny fitsarana tao amin’ny mpitsara momba ny ankizy, omaly teny Anosy, ka olona roa vavolombelona tamin’ireo.

    Anisan’ny teny amin’ny fitsarana ihany koa ny ray aman-drenin’ireo ankizy ireo, noho izy ireo tsy ampy taona. Nanomboka ny tapak’andro hariva ny fihainoan’ny fitsarana momba ny ankizy azy ireo. Tsy nisy nipika ny fizotry ny fitsarana, ary izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja izao. Tsy mbola fantatra ny fotoana hanaovan’ny fitsarana ny raharaha. Marihina fa marobe ny olona tonga teny amin’ny fitsarana, liana tamin’ity tranga ity sy te hahita ireo ankizy nahavanon-doza. Nanahirana ny fiarovana ny voampanga.

    Yves S.

    Les commentaires sont fermées.