Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Antsiranana : tratra ireo mpamongady rongony

    Antsiranana  : tratra ireo mpamongady rongony

    Voasambotry ny zandary ao amin’ny kaompania Antsiranana, ny herinandro teo ireo efa-dahy voarohirohy ho nanao trafikana rongony milanja 5 kg sy sasany tany an-drenivohitr’Antsiranana. Araka ny fampitam-baovao voaray, nisy hetsika manokana nataon’ireo zandary avy ao amin’ny kaompania momba ny ady amin’ny zava-mahadomelina. Taorian’ny fikaroham-baovao, tokantrano iray nahatrarana ireto zava-mahadomelina ireto niampy ireo olona voarohirohy. Fantatra fa mpamongady rongony ao Antsiranana mihitsy ny iray amin’ireo olona tratra ireo raha mpifoka kosa ny ambiny. Niaiky ny heloka vitany ireo efa-dahy tratra ireo nandritra ny famotorana nataon’ny zandary.

    Mirongatra indray  ny trafikana zava-mahadomelina amin’izao. Tsy mikely soroka fa manao izay ho afany amin’ny fanenjehana ireo mpanao trafika ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ary mangataka fiaraha-miasa matotra amin’izay manana loharanom-baovao. Misy ifandraisana amin’ny tsy fandriampahalemana rahateo itony zava-mahadomelina itony.

    Natolotra ny fampanoavana avy hatrany izy efa-dahy ireto.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.