Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Horaisin’ny ao Maevatanana ny Pr Zafy

    Horaisin’ny ao Maevatanana ny Pr Zafy

    Anjaran’ny eo Maevatanana ny mandray ny nofomangatsiakan’ny Pr Zafy. Samy hiaraka any an-toerana hanao ny fombafomba rehetra ny eo anivon’ny faritra Betsiboka sy Boeny. Tahaka izany koa ireo tanàna hafa mangataka ny hijanonan’izany andiana fiara marobe mitondra ny tranovorona sy ny delegasiona ary ny fianakaviana hihazo an’Ambilobe. Aorian’izany, hoentina any Betsiaka, 28 km miala io Renivohitry ny distrika io ary halevina ny asabotsy izao. Tsiahivina fa niala teto an-dRenivohitra, omaly, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany ny razana, nialohavan’ny fombafomba ara-miaramila tetsy Mahamasina, taorian’ny fotoam-pivavahana. Nitsofana ny mozikan’ny tafika izany sady nanaovan’ny Foloalindahy veloma ity filoha teo aloha ity. Nihazo ny araben’ny Fahaleovantena sy Antanimena izany avy eo ary nizotra amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7). Tomefy olona nikopakopa-tanana sy malahelo ny lalana nizorany… Filoham-pirenena voafidim-bahoaka nodimandry farany ny filoha Tsiranana Philibert, nitondra ny Repoblika I ary nodimandry ny 16 avrily 1978 teo amin’ny faha- 67 taony.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.