Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra any Eoropa – Real sy Tottenham : tsy afaka hilalao i Gareth Bale, anio

    Kitra any Eoropa – Real sy Tottenham  : tsy afaka hilalao i Gareth Bale, anio

    Hiditra amin’ny lalao mandroso, andro fahatelo, amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na ny “Ligue des champions”, taranja baolina kitra, ireo ekipa tompondaka, manomboka anio talata.

    Lalao enina no voalahatra amin’izany ka anisan’ireo be mpiandry ny fifandonan’ny Real de Madrid sy ny Tottenham.

    Fantatra fa mpilalao telo mirahalahy izay tena tompon-toerana ao amin’ny Real de Madrid no tsy afaka hiakatra kianja, amin’ity anio ity. Anisan’izany i Gareth Bale, izay tsy mbola tena ao anatin’ny fahasalamany tanteraka. Toy izany koa i Dani Carvajal sy i Mateo Kovacic. Hiverina haka ny toerany kosa, etsy ankilany, i Keylor Navas, mpiandry tsatoby, amin’ity fihaonana ity. Raha tsiahivina, naratra i Navas, ny voalohan’ity volana oktobra ity, ka voatery najanon’ny mpitsabo azy.

    Marihina fa hotontosaina ao amin’ny kianja Bernabeu, ao Madrid, ity lalao ity. Samy manana isa enina avy ny roa tonta, taorian’ireo lalao roa vitany ka hiady izay ho lohany ao amin’ny sokajy “H” izy ireo, amin’ity.

    Torcelin

    Toy izao ireo fandaharan-dalao hafa :

    -Manchester City # Naples

    -Feyenoord  # Shakhtar

    -Maribor # Liverpool

    -Spartak Moscou # Séville

    -Apoel # Dortmund

    Les commentaires sont fermées.