Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taitra tampoka naheno ny fahafatesan-janany… : namoy ny ainy ny renin’ilay zandary voatifitry ny dahalo

    Taitra tampoka naheno ny fahafatesan-janany…  : namoy ny ainy ny renin’ilay zandary voatifitry ny dahalo

     Namoy ny ainy tao amin’ny hopitaly Fianarantsoa, ny alahady teo ny renin-dRalaivao René Germain, zandary G2C maty voatifitry ny dahalo teo Betroka, ny zoma maraina teo. Voalazan’ny fampitam-baovao fa torana tampoka noho ny hatairana teo am-pandrenesana ny fahafatesan-janany ka voatery naiditra hopitaly. Tsy avotra intsony anefa ny ainy na efa nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly ka izao namoy ny ainy izao.

    Tsiahivina fa namoy ny ainy teo am-perinasa vokatry ny fifandonana tamin’ny dahalo, ny 12 oktobra 2017 tao Voromihantsa distrikan’i Betroka, ny G2C Ralaivao Réné Germain miasa ao amin’ny borigadin’ny zandary ao Betroka. Niantso zandary ao Betroka ny mponina tao amin’ny kaominina ambanivohitr’Ivahona fa lasan’ny dahalo miisa 40 eo ho eo miaraka amin’ny basy ny omby miisa 50. Nihazo ny toerana avy hatrany ny kaomandin’ny kaompanian’i Betroka sy ny lefiny niaraka tamin’ny zandary maromaro ka nanao fanarahan-dia ireo dahalo niaraka tamin’ny mponina. Nizotra nankany Voromihantsa ny lalan’ireo malaso. Nisy ny fifandonana tao amin’io toerana io ka dahalo efatra lavo raha voatifitra kosa ilay zandary. Tonga nanampy ireo zandary tany an-toerana ny helikoptera avy amin’ny BIA Ihosy sy ny Usad Mahabo. Henjana fifandonana tao Voromihantsa ka dahalo maromaro ny naratra, saingy nentin’ireo namany nitsoaka.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.