Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taona 2020 : mbola tsy ho tratra ireo vokatra tany aloha

    Miharatsy ihany koa ireo vokatra hafa amin’ny ankapobeny ka mitarika ny tsy fahampiana ara-tsakafo. Katsaka, ohatra, anisan’ny vokatra be mpihinana manerana ny Nosy, nanomboka ny taona 1961 hatramin’ny 2014, nahitana fiovana hatramin’ny 213 %. Tato anatin’ny 10 taona farany, mba nisy vokatra tsara indrindra ny taona 2012, 447.948 t. ; vokatra tsy nety firy, ny taona 2015, manodidina ny 330.000 t. Amin’ny taona 2020, raha tsy mahita paikady hanatsarana ny voly katsaka eto Madagasikara, tsy hisy afa-tsy 111.000 t. eo ho eo sisa, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka avy any Kanada.

    Eo amin ‘ny voankazo indray, ny akondro, ohatra, nanomboka  fahaleovantena hatramin’ny 2013, nisy fiovana 163 %. Ankehitriny isika mamokatra akondro, 265.103 t. eo ho eo. Tany amin’ny taona 1974, nisy vokatra tsara indrindra, nahatratra 466.220 t. Hitombo tsikelikely io vokatra iray io hatramin’ny 2020, saingy mbola tsy ho tratra ny tamin’ny taona 70, raha ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka avy any Kanada ihany.

    R.Mathieu

    Les commentaires sont fermées.