Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ady amin’ny pesta : tanora 264 voaofana

    Tanora 264 ahitana paramédicaux sy mpianatra voaofana manokana momba ny fahadiovana sy ny fisorohana ny fiparitahan’ny mikraoba no handray asa eny amin’ny hopitaly valo ka ny enina eto Antananarivo. Hanamafy ny fanaraha-maso ny fahadiovana sy ny fidiovana ny andraikitra hosahaniny. Antananarivo, i Toamasina ary i Fenoarivo Atsinanana ny toeram-piasany. 160 ny mpikirakira ny fahadiovana hiasa amin’ny toerana fanokanana ny ahina ho mararin’ny pesta. Nampiofanina momba ny fanadiovan’ny fandriana, toeram-pidiovana sy ny fako eny amin’ny hopitaly koa izy ireo. 16 ny mpanadio ny fitaovana sy ny kojakoja ampiasan’ny mpitsabo. 72 ny olona hisahana ny fanoroana hevitra ny fianakaviana sy ny fanasana tanana. Niarahana tamin’ny Unicef ny fampiofanana ary nandray anjara koa ny ACF, OMS, USAID ary ny minisiteran’ny Fahasalamana.

    Antony mbola mampiparitaka ny pesta ny tsy fahampian’ny fahadiovana ka ilaina ny fanofanana olona manokana mahafehy izany”, hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny Unicef, Silvia Gaya. Efa nametraka fitaovana sy toeram-pidiovana 24 ho an’ny hopitaly mandray ny mararin’ny pesta eny Ambohimiandra sy Toamasina ny Unice miaraka amin’ny rano sy ny fitaovam-pidiovana. Hisy toeram-pidiovana 29 hafa hatsangana any Toamasina sy Anosy Avaratra ary Fenoarivo Atsinanana.

    Vonjy A.

    Les commentaires sont fermées.