Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    CGM : hanamarika ny fiverenany i Baba

    CGM  : hanamarika ny fiverenany i Baba

    Rehefa tsy hita an-tsehatra, nandeha irery, tato anatin’ny dimy taona, hiverina ka hitondra ny kanto hatrany i Baba, mpanakanto avy any avaratra atsinanan’ny Nosy, mpamoron-kira sady mpihira ary anisan’ny kalaza amin’ny fitendrena gitara. Baba, manandratra ny mozika nentim-paharazana, ny bahoejy, mifangaro amin’ny fironana hafa, toy ny folk.

    Tokony hotanterahina ny 27 oktobra izao, etsy amin’ny Cercle germano-malagasy (CGM) etsy Analakely, ny fampisehoana hanamarihana izany fiverenany izany. Noho ny fahalasanan’ny talen’ity foibe ity, izay mbola isaonan’ny mpanakanto mpifanerasera ao, nahemotra amin’ny 10 novambra izany. Tsy miova kosa ny toerana.

    Marihina fa tarika iray, ahitana mpikambana fito mianadahy (vavy tokana) ny Baba. Azo lazaina ho efa vonona tanteraka izy ireo amin’io fihaonana indray amin’ny mpankafy io, araka ny nambaran’ny « manager » na ny mpitantana ny tarika. Hisy fizarana roa ny fampisehoana fa  entina hampahafantarana ireo hira vaovao ny ampahany voalohany. Hamerenana ireo hira nahalalana an’i Baba hatramin’izay kosa ny fizarana faharoa.

    Tsy hijanona hatreo fa hitohy amin’ny famoahana hira vaovao, izay handrafitra ny rakikira faharoa, ny fiverenan’i Baba an-tsehatra. Ao anatin’ny fikarakarana izany indrindra izy ireo, amin’izao fotoana izao. « Na dia lavitra » ny lohatenin’io vokatra vaovao io, izay ahitana hira sivy. Vinavinaina ny hamoahana io « album » io amin’ny volana febroary 2018.

    Landy R.

     

    Les commentaires sont fermées.