Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    « Holy time gospel » : 150 taona ny FJKM Atsimon’Imahamasina

    Anisan’ny fiangonana tranainy miorina eto an-dRenivohitra ny FJKM Atsimon’Imahamasina. Mandia ny faha-150 taony ankehitriny ity fiangonana ity. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ho fanamarihana izany ny « Holy time gospel », fampisehoana lehibe hotanterahina etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina, ny zoma 3 novambra izao, manomboka amin’ny 5 ora sy sasany hariva. Hanatanteraka izany ireo tarika andrarezin’ny gospel, toa an’ny GMMC, ny The Singers of Jesus, ny Pray’f ary ny TGC. Fampisehoana gospel ranoiray tsy fahita firy satria tsy matetika ny fiarahan’izy ireo eny amin’ny sehatra lehibe tahaka izao. Teny filamatry ny « Holy time gospel » ny « Ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy » Apok.22, 11e.

    Hampiavaka ity fampisehoana ity ihany koa ny fampiasana fitaovana arifomba, hiderana ny halehiben’ny voninahitr’Andriamanitra sy hampitombo ny fahamasinana ananan’ny tsirairay. Anisan’izany ny fanamafisam-peo sy ny jiro izay hiandraiketan’ny Andnoum, manana ny maha izy azy eo amin’ny fahaiza-mifehy ireo tontolo roa ireo (feo sy hazavana).

    Nanangona : HaRy Razafindrakoto

    Les commentaires sont fermées.