Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Iraimbilanja : mitohy ny fitetezana an’i Frantsa

    Iraimbilanja : mitohy ny fitetezana an’i Frantsa

    Fahombiazana ny seho voalohany tao Paris… Hafakely tokoa mantsy ny fiarhana an-tsehatra nataon’ny tarika Iraimbilanja sy i Bodo, ny 7 oktobra lasa teo tao amin’ny Le Millénaire. Nitohy avy hatrany tamin’ny fitetezana ireo faritra efa ela niandrasana ny tarika Iraimbilanja any Frantsa izany, toy ny tany Orleans ny asabotsy teo. Niavaka kokoa izany, satria tonga ihany i Papay, izay tsy tafara-dia tamin’ireo rahalahiny tamin’ny voalohany noho ny fikarakarana ny taratasy. Hitohy any Lyon, Annemasse ary Toulouse ny dian’ny tarika, avy eo hiverina ao Paris ihany, noho ny fangatahan’ny maro. Marihina fa tafaraka amin-dry Batata, Niry, Roger, Papay ary Dera any an-toerana koa Ra-Gerd, izay mpikambana taloha tao amin’ny tarika.

    Les commentaires sont fermées.