Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra – «Chan 2018» : handray ny fifaninanana i Maraoka

    Kitra – «Chan 2018»  : handray ny fifaninanana i Maraoka

    Tinapaky ny fivoriamben’ny kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf) fa esorina teo am-pelatanan’i Kenya  ny fampiantranoana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2018), ka nomena an’i Maraoka. Fifaninanana, hotanterahina ny 12 janoary ka hatramin’ny 4 febroary, amin’io taona ho avy io. Noho ny korontana misy atsy Kenya ny anton’izany.

    I Maraoka no efa manana fotodrafitrasa vonona handraisana ny lalao, ka natolotra azy izany. Nanao fangatahana ihany koa i Etiopia, saingy tsy nanome antoka, amin’ny fandraisana izany,  ny fitondram-panjakana Etiopianina, ka nolavina ihany koa ny kandidatioran-dry zareo.

    Marihina fa efa fantatra avokoa ireo firenena 16 tafita hiatrika ity dingana famaranana, amin’ity Chan 2018, ity.

    Tompondaka

    Ireo ekipa rehetra tafita :

     

    -Egypta ; Lybia ; Maraoka
    Etiopia ; Oganda
    – Kameronina ; Kongo ; Ginea Ekoatorialy
    Ginea ; Maoritania
    Burkina Faso ; Côte d’Ivoire ; Nizeria
    Angola ; Namibia ; Zambia

     

    Les commentaires sont fermées.