Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rakotomanana Honoré : « Isaorana ny fitondrana… »

    Rakotomanana Honoré  : « Isaorana ny fitondrana… »

    Nidokadoka sy nanasohaso ny fitondrana ny filohan’ny Antenimierandoholona. “Efa nahavita fotodrafitsara marobe ny fitondrana… Isaorana izy ireo”, hoy ny ampahany amin’ny lahatenin-dRakotomanana Honoré, tetsy Anosikely, omaly. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy izany fivorian’ny loholona izany. Notanisainy avy eo ireo ezaka vitan’ny loholona, toy ny fidinana ifotony, ny fiofanana nataon’izy ireo. Teo koa ny fivahiniana tany ivelany… Narahabaina tamin’izany koa ny filohan’ny CFM, Maka Alphonse, sy ny nanendrena ny loholona vaovao, Rakotovao Rivo, nisolo toerana an’i Ahmad, lasa filohan’ny Caf. Nanome lesona ny mpanao gazety ny tenany avy eo momba ny fahalalahana, mitaky andraikitra. Amin’ny ankapobeny, tsy nisy nivoitra ny lahatenin’ny filohan’ny Antenimierandoholona.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.