Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Is’Art galerie : hampiteny ny loko i Loris Behanzin

    Ho an’ny Is’Art galerie, etsy Ampasanimalo, anisan’ny hisongadina ny fandraisana mpanakanto araka endrika amam-bika, avy any Alemaina antsoina hoe Loris Behanzin izay teratany beninoa, monina any Eoropa any. Tafiditra ao anatin’ny toerana efatra hanehoany ny sanganasany, amin’izao fotoana izao, i Madagasikara.

    Miompana amin’ny lohahevitra hoe “Les couleurs parlent” na  “Mampita hevitra ny loko”, ity fampirantiana, hisokatra ny 9 novambra izao, ity. Nianatra ny teknika momba ny fanaingoana sy ny rafitra i Loris Behanzin. Tsy nijanona hatreo fa nitrandraka ny talentany, izay mirona kokoa amin’ny kanto ankehitriny: ny kanto araka endrika amam-bika.

    Mampiavaka azy ny fampiasany taratasy miaraka amin’ny tanimanga ary ny fasika rehefa mamoaka ny aingam-panahiny. Manampy ireo ny loko. Matetika, avoitrany ao anatin’izany ny momba ny fifandraisana eo amin’ny olombelona, ny fiainam-piarahamonina ary ny kolontsaina. Hisarika ny fo sy ny sain’ny mpitsidika amin’ny alalan’ny loko samy hafa i Loris Behanzin. Tsy hifarana ny fampirantiana raha tsy ny 30 novambra.

    Landy R.

    Les commentaires sont fermées.