Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Anosibe : saron’ny polisy ireo olona telo mpanao “visa” hosoka

     Voasambotry ny polisy misahana ny hosoka teny Anosibe, ny talata 17 oktobra 2017 ireo olona telo (vehivavy ny iray) voarohirohy noho ny resaka fanamboarana “Visa Schengen” hosoka. Araka ny fanazavan’ny polisy, ny alatsinainy 16 oktobra 2017, nahatratra ankizivavy nitondra “Visa Schengen” hosoka ny polisy teny Ivato. Nalefa nanaovana fanadihadiana teny amin’ny polisy misahana ny hosoka eny Anosy ilay ankizivavy ka ny reniny no nanoro ireo olona nanaovany izany. Nanao ny vela-pandrika avy hatrany ny polisy ka noraisim-potsiny ireo olona telo voarohirohy ireo. Nilaza izy ireo nandritra ny fanadihadian’ny polisy fa mbola tsy izy ireo no tena mpanao ity taratasy hosoka ity fa mpanera fotsiny ihany. Vola 1 400 000 Ar no alain’izy ireo amin’izay olona hanao ity “Visa Schengen” hosoka ity ka 400 000 Ar ny an’ilay olona tena manao azy fa ny ambim-bola kosa azy ireo. Mbola karohina ilay atidohan’ity fanaovana taratasy hosoka ity. Nilaza ny polisy fa tena ikoizana amin’ny fanaovana hosoka ity olona karohina ity.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.