Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Maty voatifitry ny dahalo nandritra ny fanafihana tao amin’ny fokontany Bevoha Farafangana, afakomaly hariva ny zandary iray miasa ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Farafangana. Nitsidika ny rainy io zandary io ka teo am-pisakafoana izy ireo no niditra tampoka ireo dahalo. Notapahin’ireo dahalo ny lohan’ny rainy raha voatifitra teo amin’ny lohany ilay zandary.

    Nikatona vonjimaika, omaly teo anelanelan’ny tamin’ny 3 ora ka hatramin’ny 6 ora hariva ny seranam-piaramanidina Antsirabato Antalaha. Antony, niakatra fampanoavana omaly noho ilay raharaha nahaverezana lavanila milanja 10 kg amin’ny 86 kg an’ny mpandeha iray tamin’ny zotram-piaramanidina manokana 5R MKJ ireo mpiasa.

     

    Les commentaires sont fermées.