Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    29 ny tranga vaovao ny asabotsy teo : iray matin’ny pesta teny Ambohimiandra

    29 ny tranga vaovao ny asabotsy teo  : iray matin’ny pesta teny Ambohimiandra

    Iray ny olona maty teny anivon’ny hopitaly misahana ny reny sy ny zaza eny Ambohimiandra araka ny antontanisa nalefan’ny minisiteran’ny Fahasalamanan, ny asabotsy alina. Nitombo valo izany ny marary matin’ny pesta, teny amin’ny hopitaly, teto Antananarivo. Mahatratra 124 ny marary manaraka fitsaboana eto an-dRenivohitra ka eny Ambohimiandra no maro indrinfra 48, eny amin’ny hopitaly HJRB ny 33, marary 19 kosa eny Anosiala, 13 ao amin’ny hopitaly misahana ny reny sy zaza Ambohimiandra. Any Matsiatra ambony no mbola ambony ny tahan’ny marary manaraka fitsaboana 38, mahatratra 24 any Toamasina ary 17 any Vakinankaratra. 225 ny fitambaran’ny manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly manerana ny Nosy. 29 ny tranga vaovao ahina ny asabotsy teo ary 37 ireo sitrana tamin’io andro io.

    61 ny marary maty teny amin’ny fokontany fa tsy nanatona toeram-pitsaboana, 61 hafa tsy fantatra na maty na velona ary 22 mbola fantarina ny tena toe-pahasalamana manerana ny Nosy.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.