Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra – «Poule des As» : tompondakan’ny lalao mandroso ny Cnaps Sport

    Kitra – «Poule des As» : tompondakan’ny lalao mandroso ny Cnaps Sport

    Tontosa, omaly, tany amin’ny kianja Ampasambazaha Fianarantsoa, ny lalao mandroso amin’ny “Poule des As”, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Mitarika aloha hatreto ny Cnaps Sport Itasy.

     

    Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny lalao mandroso, amin’ny “Poule des As”, hiadiana  izay ho tompondakan’i Madagasikara, eo amin’ny baolina kitra ny Cnaps Sport. Nahazo fandresena telo, tamin’ny lalao telo nataony, izy ireo.

    Mbola nandavo ny ekipan’ny Cosfa, tamin’ny isa mazava, 3 no ho 0 ry zalahy, teo amin’ny andro farany. Baolina izay nampidirin’i Njiva, teo amin’ny minitra faha-56 sy ny an’i Niasexe, teo amin’ny minitra faha-58. Nahafaty baolina iray ihany koa ny miaramila, tamin’ny alalan’i Ndimby, teo amin’ny minitra faha-62 saingy nolavin’ny mpitsara, izay nanamarika fa “hors-jeu”. Tsy nijanona teo ny baolina tafiditry ny Cnaps fa mbola nampian’i Niasexe, ihany teo amin’ny fanampim-potoana (90 mn + 2). Manana isa 9 ny Cnaps taorian’ity fihaonana ity. Niady ny lalao teo amin’ny fizaram-potoana voalohany ary samy niezaka nampiseho ny endri-dalaony ny andaniny sy ny ankilany. Na izany aza, nanantombo teo amin’ny fanafihana ny Cnaps Sport, izay nahay namezivezy baolina.

    Teo amin’ny fihaonana voalohany, nandresy 2 noho 1 ny Elgeco Plus, raha nikatroka tamin’ny Hzam Amparafaravola. Nampiditra ny  baolina voalohany, i Bela, ho an’ny Elgeco Plus,  tamin’ny alalan’ny “penalty”, teo amin’ny minitra faha-18, rehefa nandray baolina tamin’ny tanany ny vodilaharan’ny Hzam. Mbola nampian’i Dinoh, indray izany teo amin’ny minitra faha-34. Nampihena ny isa kosa i Dominique, teo amin’ny minitra faha-45. Manana isa 6 kosa ny Elgeco Plus, ary mitana ny laharana faharoa. Samy manana isa 1 avy kosa ny Hzam sy ny Cosfa. Aorian’ny fanatontosana ny manasa-dalana, amin’ny fiadiana ny amboara, vao hotontosaina ny lalao miverina amin’ity “Poule des As” ity.

    Torcelin

     

    Les commentaires sont fermées.