Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Toamasina : tariby herinaratra 400 m tratra tany Ivolobe

    Toamasina : tariby herinaratra 400 m tratra tany Ivolobe

    Mitohy ny halatra tariby mitondra herinaratra aty Toamasina. Naharay antso an-telefaonina avy amin’ny olona tsara sitrapo ny polisin’ny Fip Ankirihiry, ny marain’ny alahady 22 oktobra teo, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, fa misy andian-jiolahy mianika ny andrin-jiron’ny Jirama, ary manapaka mangalatra ny tariby mitondra herinaratra. Tsy niandry ela, fa tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana. Vaky nandositra avy hatrany ireo olon-dratsy raha vao nahita ny jiron’ny fiaran’ny polisy. Tavela teo koa ny tariby mirefy manodidina ny 400 metatra efa tapaka. Tafatsoaka avokoa ireo jiolahy fa tsy nisy tratra na iray aza, ka efa mandeha ny fanadihadiana sy ny fikarohana azy ireo.

    Midika izany fa tsy mbola tratra ny atidoha mpanao ity asa ratsy ity. Ny tsy azo lavina, tsy maintsy tambajotra matanjaka ny ao ambadik’izao halatra izao, satria tsy maintsy misy ny mpividy mpandray ny tariby, izay saika vita amin’ny varahina ny ankamaroany matoa misy ny mangalatra mpamatsy azy ireny. Raha ny any Antananarivo, efa tratra ny teratany sinoa teny Talata Volonondry, taona vitsy lasa izay, nahitana tariby mitondra herinaratra maro vita amin’ny varahina, sy bateria fiarakodia efa maty.

    Sajo sy Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.