Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Atahorana hikatona ny sisin-tany : noho ny pesta, nanafoana ny diany aty Madagasikara ny vahiny

    Atahorana hikatona ny sisin-tany  : noho ny pesta, nanafoana ny diany aty Madagasikara ny vahiny

     Maherin’ny 100 ny olona matin’ny pesta eto amintsika. Na tsy mbola mikatona aza ny sisin-tany, efa maro ny mpizahatany manafoana ny diany ho aty Madagasikara.

    Tsy voafehy ny fitombon’ny olona matin’ny valanaretina pesta eto Madagasikara. Miantraika any amin’ny fizahantany sy ny toekarena ity tranga ity, tonga amin’ilay fiteny hoe “mandrimandry manana aretina”. Hanamarinana izany, nambaran’ny antokon-draharaha mpikarakara mpizahatany (Agence de voyage) iray eto amintsika, manana mpanjifa avy any Soisa sy Alemaina, fa “manao famandrihana enim-bolana mialoha ny fotoana tena ahatongavany any amin’ny firenena iray ny mpizahatany. Noho ny tahotra ny pesta, mihena be ny mpanjifanay misafidy ho aty Madagasikara. Manodidina ny 15% ny mpanjifanay nanafoana ny diany ho aty Madagasikara. Singanina amin’izany, nisy andiany mpizahatany dimy, ka nihemotra tsy tonga ny roa tamin’ny herinandro lasa teo. Efa nisy nanafoana ny famandrihany, toy izany, koa ny fiandohan’ny volana oktobra teo, raha vao nahafantatra tamin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao, indrindra miparitaka any anaty tambajotra sosialy sy ny internet fa misy valanaretina pesta eto Madagasikara”.

    Voatery namerim-bola

    Miteraka fatiantoka ho an’ireo antokon-draharaha mpikarakara mpizahatany ity trangana pesta ity. Mitaky famerenana ny vola namandrihany ny diany ny mpanjifa. Na tsy araka ny tokony ho izy aza izany, tsy avy amin’izy ireo ny antony tsy nahatongavany, fa vokatry ny fisian’ny valanaretina pesta. Nilaza ilay antokon-draharaha mpikarakara mpizahatany fa “manodidina ny 50% ny vola naverina tamin’ny mpanjifany. “Soa, fa nanaiky hamerim-bola ny famandrihana nataonay koa ny trano fiantranoana, indrindra ny karazany lehibe, satria misy ny fifampitokisana sy ny fiaraha-miasa eo aminay sy izy ireny”.

    Mandalo fotsiny ny sambo vaventy

    Anisan’ny nahavelom-bolo ny fizahantany teto amintsika koa ny fandalovan’ny sambo vaventy mpitondra mpizahatany. Indrisy fa nodinganin’izy ireny ny eto Madagasikara, indrindra ny any Toamasina, ka very anjavony ny vola vahiny anarivony euros na dolara, tokony hiditra amin’ny kitapom-bola malagasy.

    Araka ny voalaza etsy ambony, tsy mbola misy antoka hanamarinana fa voafehy ity valan’aretina ity ankehitriny. Ny hita, tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny maty, nahatratra 107 ny 21 oktobra teo raha 95 ny maty ny 18 oktobra (nitombo 15 ny maty). Voalaza fa sokajina ao anatin’ny dingana faharoa ny trangana pesta eto Madagasikara. Tsy voafaritra kosa raha mahatratra firy ny isan’ny maty, na manao ho toy ny ahoana ny fisehoan’ny aretina vao ho ao anatin’ny dingana fahatelo, ary tsy fantatra sy tsy hampahafantarina ny besinimaro koa rehefa toy ny inona no tsy maintsy hakatona ny sisin-taniny, ka tsy maintsy hatoka-monina i Madagasikara.

    Randria

    Les commentaires sont fermées.