Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Oniversiten’i Mahajanga : ampiharana fitsipi-pifehezana ireo mpandika lalàna

    Oniversiten’i Mahajanga  : ampiharana fitsipi-pifehezana ireo mpandika lalàna

    Taorian’ny fivoriana natao hitadivam-bahaolana momba ny olan’ny oniversiten’i Mahajanga ny herinandro lasa teo, tapaka fa hampiharina amin’ireo rehetra mandika lalàna tsy an-kanavaka ny fitsipi-pifehezana. Raha ilaina, azo ampiharina koa ny lalàna mifehy ny olom-pirenena rehetra manoloana ny hadisoana nataony. Nofaritana ny olana mahatonga ny savorovoro miverina matetika ka hita fa miteraka izany avokoa ny fitantanana ny oniversite, toy ny fandrimpahalemana, ny trano fonenana… Manampy trotraka koa ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fipetrahana eny amin’ny oniversite tokony harahin’ny tsirairay, eo koa ny mpianatra tsy mazoto amin’ny fampianarana intsony manimba ny lamina napetraka.

    Nisehoana korontana nahitana fanimban-javatra sy naharatrana mpianatra ny tao amin’ny oniversiten’i Mahajanga herinandro maromaro lasa izay. Mitady vahaolana maharitra hamahana ny olana miverina matetika ny tomponandraikitra nahitana ny mpitandro filaminana, ny sojabe, mpitantana ny oniversite ary ny mpandraharahara rehetra.

    Vonjy

    Les commentaires sont fermées.