Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Trano miisa 220 indray kilan’ny afo tao amin’ny fokontany Ambodimanga Maevatanana, ny faran’ny herinandro teo. Olona miisa 1 278 traboina sy tsy manan-kialofana. Mitentim-bidy 769 400 000 Ar ny fahavoazana tamin’ity loza ity. Doro tanety nataon’olona tsy fantatra tao an-tanànan’Ambodimanga no nitarika ny firehetana ka niitatra tamin’ireo tanàna kilan’ny afo ireo.

    Naratra mafy ny zandary GPHC iray kaomandin’ny borigadin’ny zandary ao Mandabe Mahabo nandritra ny fisamborana dahalo tao amin’ny tsenan’omby ao Mandabe, ny asabotsy teo. Nanohitra tamin’ny alalan’ny famaky ireo dahalo ka naratra mafy ilay zandary. Nalefa notsaboina aty an-drenivohitra izy.

     

    Les commentaires sont fermées.