Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Vaovao tambatra

     Natao tany Mandritsara ny atrikasa mikasika ny fiahiana ara-tsosialy, nokarakarain’ny Cnaps. Nampahafantarina ny lalàna mifehy ny asa, ny fifanarahana eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa, ny fanampiana omen’ny Cnaps, toy ny ho an’ny vehivavy bevohoka sy ny renin-jaza, ny tra-doza am-perin’asa, ny fisotroan-dronono, sns. Nilaza ny ben’ny Tanàna Mandritsara, Rasolofondradonga Gérard, fa maharesy lahatra ny ezaky ny Cnaps amin’ny lafiny fiahiana ara-tsosialy. Nitarika ny fiofanana ny talen’ny masoivoho any an-toerana, Rasamizafy Marc, fa anisan’ny tanjona amin’ny atrikasa ny hamantaran’ny mpampiasa ny adidiny handoavany ny latsakembony ao amin’ny Cnaps mba hahazoan’ny mpiasa ny zony.

    Natao, omaly teto Antananarivo ny atrikasa mikasika ny vahaolana frantsay hamahana ny olana amin’ny lafiny angovo. Nikarakara azy ny sampandraharaha ara-toekarena ao amin’ny masoivoho frantsay eto amintsika sy ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria Frantsa-Madagasikara (CCIFM). Novelabelarina nandritra ny fotoana ny traikefa frantsay amin’ny lafiny angovo azo havaozina, toy ny herinaratra avy amin’ny tohodrano, ny masoandro, ny rivotra, ny zavamaniry (bioénergie), sns. Nampahafantarina koa ny karazana mpisehatra na mpamokatra, ahitana orinasa, mpandraharaha, teknisianina, tranombarotra, …, miampy ny tolotra samihafa eo amin’ny tsena. Manodidina ny 50 ny orinasa malagasy nanatrika ny fotoana.

    Les commentaires sont fermées.