Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fantina sy fintina

    Hiverina hamoaka pasipaoro diplomatika sy pasipaoron’ny mpiasam-panjakana vaovao indray ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny. Anisan’ny mampiavaka ity pasiparo vaovao hatonta  ity ny maha azo antoka sy tsy azo halain-tahaka azy. Hiaka farany amin’ny teknolojia rahateo ny fomba fanaovana azy. Manamora ny  asan’ireo mpiasam-panjakana mamita iraka any ivelany izany. Notokanana, omaly ny foibe fanaovana azy io etsy Anosy, eo anivon’ny raharaham-bahiny.

    Hitohy anio, hatramin’ny asabotsy izao ny hetsika sy atrikasan’ny « Diaspora » eny Andohatapenaka. Ahitana tranoheva maherin’ny 70 izany. Nisokatra omaly ity fiaraha-mientan’ny mpitondra sy ny zanaka am-pielezan’i Madagasikara ity. Nivoitra tamin’izany ny fitakin’ireo malagasy miasa sy monina any ivelany ireo ny handraisan’izy ireo anjara amin’ny fifidianana aty an-tanindrazana.

    Les commentaires sont fermées.