Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fivoriamben’ny Komity olympika malagasy : nandraisana fepetra manokana ny rugby sy ny Atletisma

    Fivoriamben’ny Komity olympika malagasy  : nandraisana fepetra manokana ny rugby sy ny Atletisma

     Nangotraka ny fivoriamben’ny Komity olympika malagasy (Kom), natao tany Toliara ny zoma lasa teo. Ankoatra ny fandinihana ireo fandaharam-potoana samihafa, nandraisana fepetra manokana ny rugby sy ny atletisma.

     

    Naharitra adim-pamantaranora maro ny fivoriamben’ny Komity olympika malagasy (Kom), ny faran’ny herinandro lasa teo, notanterahina tany Toliara. Ankoatra ny fandinihana ny raharaha anatiny, nojerena ihany koa ireo olana samihafa, indrindra fa ny mahakasika ny federasiona.

    Nandraisana fepetra manokana tamin’izany, ho an’ny taranja roa : ny atletisma sy ny rugby. Ho an’ny baolina lavalava, nanambara ny Komity olympika malagasy fa tsy maintsy atao ny fivoriambe tsy ara-potoan’ny ligin’Analamanga ka ny Malagasy rugby no mitarika izany. Tsy mankato intsony ny fisian’ny komity mpitantana eo anivon’ny ligin’Analamanga ny Kom, izay efa voasazy.

    Ny seksion’Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano ary Andrefan’Iarivo no manatanteraka sy manapaka ny zavatra rehetra dinihina amin’izany fa mitarika fotsiny ny Malagasy rugby izay hatrehin’ny solontenan’ny Kom sy ny minisiteran’ny Fanatanjahantena. Tsy maintsy atao faran’izay haingana izany, hivahan’ny olana eo amin’ny rugby, ary mitsahatra ihany koa ny fifaninanana karakarain’ny ligy, raha ny fanambaran’ny Kom.

    Ho fantatra, anio alatsinainy mandritra ny fivoriana fanaon’ny Malagasy rugby, ny daty sy ny toerana hanatontosana io fivoriambe tsy ara-potoana io.

     

    Mila mifona ny atletisma

    Ankoatra ny taranja rugby, noresahina maharitra ihany koa ny amin’ny taranja atletisma. Noho ny tsy fanajana nataon’ny filohan’ny federasiona malagasin’ny taranja atletisma, nandritra ny fifidianana farany teo, ka tsy namelana ny filohan’ny Kom hanatrika izany fotoan-dehibe izany, notapahina ary noraisina ny fepetra fa haato amin’ny andraikiny ny filoha Andriamahazo Norolalao, ary esorina tsy ho anisan’ny mpikamba ao anatin’ny komity mpitantan’ny Komity olympika Malagasy intsony.

    Tsy izy irery fa tsy mahazo mikirakira atletisma intsony koa i Mahatana Jean de la Croix sy Rakotombelontsoa Hubert. Mitaky fifonana ampahibemaso amin’izy ireo ny Komity olympika malagasy vao afaka miverina amin’ny asany eo amin’ny fitantanana fanatanjahantena -izy ireo.

     Torcelin

     

    Les commentaires sont fermées.