Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Kitra : nodimandry i Mahefa, mpilalaon’ny FC BFV

    Kitra : nodimandry i Mahefa, mpilalaon’ny FC BFV

    Misaona ny tontolon’ny baolina kitra malagasy. Nodimandry ny asabotsy 28 oktobra lasa teo, Randriamahefa Jean Dalphin (Lay). Mpilalao, ary anisan’ny namorona ny ekipan’ny FC BFV, i Lay niaraka tamin-dry Jules sy Naina ry Raniry ary i Ntsoa, izay samy mpanazatra. Ny aretina efa nitaiza azy nandritra ny herintaona, izay nidiran’ny hopitaly, no nahafaty azy. Olona tena niaina tao anatin’ny baolina ktira, hatramin’ny nialany ny fofonainy farany, i Mahefa Lay. Efa maro ireo klioba nilalaovany, ankoatra ny tao amin’ny FC BFV satria efa nanatevina ny DSA Atsimondrano koa izy. Taty aoriana, nanangana ny klioban’ny Asam sy ny Santos ary nanazatra izany Itompokolahy ary nilalao tao amin’ny sokajy “veteran”, tao amin’ny Santos. Nandany ny androny sy ny volany, tamin’ny baolina kitra, i Mahefa. Tia nanampy ireo mpilalao fahiny sy ireo am-periny ary ireo klioba mifaninana, ny tenany.

    Manana ny mari-pahaizana “licence C, B”, amin’ny maha mpanazatra baolina kitra azy izy. Halevina, ny alarobia izao, Itompokolahy Mahefa Lay. Namela mananotena sy kamboty vavitokana i Mahefa Lay. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany ny Gazety Taratra.

    Torcelin

     

    Les commentaires sont fermées.