Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    «Lalaon’ny Nosy» (JIOI 2019) : mandrahona tsy handray anjara i La Réunion

    «Lalaon’ny Nosy» (JIOI 2019) : mandrahona tsy handray anjara i La Réunion

    Nitaky ny hanitsiana ny volavolan-dalàna laharana fahafito, ao amin’ny sata mifehy ny «Lalaon’ny Nosy» (JIOI 2019), i La Réunion, amin’ny alalan’ny Komitim-paritra olympika sy ny atleta (Cros) fa raha tsy izay, mandrahona ny tsy handray anjara izy ireo. Ny fivoriana hataon’ireo tomponandraikitra, eo anivon’ny vaomiera iraisam-pirenen’ny lalao (CIJ), hatao atsy Maorisy ny 12 desambra ho avy izao, ny hanapahana izany.

    Manao fanerena, tsy maintsy hahitana vahaolana mialoha ny 31 desambra 2017, ny Cros. Miteraka fitaintainana sy fikorontanana eo amin’ny Komity mpanomana ny lalao (Coji), io toe-javatra io. Voalaza mantsy fa hampihen-danja sy hisy fiantraikany goavana ity andiany fahafolo ity ny tsy fandraisana anjaran’i La Réunion.

    Araka ny fantatra, efa nahita marimaritra iraisana ny roa tonta, amin’ny hanovana io volavolan-dalàna fahafito io. Araka izany, hisy ny fivorian’ny CIJ, hatao 10 volana mialoha ny lalao, izany hoe, ny 20 jolay 2019.

    Tsy maintsy teratany ao amin’ilay Nosy ary manana ny kara-pilalaovana 3 – 5 taona, ao an-toerana, ny mpilalao rehetra, araka ny voalaza ao amin’ilay volavolan-dalàna.

    Tompondaka

     

    Les commentaires sont fermées.