Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Resaky ny mpitsimpona akotry : itsahana fa lavo

    Maty vao ifampisarihana noho ny laza tsarany, velona anefa vitsy no nanaja noho ny fahamaotinany sy noho ny fiavahany tamina tsy fanaovan-karena fony iny izy teo amin’ny fitondrana. Izany ny fifandraisan’ny mpilalao pôlitika maro tamin’Itompokolahy Zafy Albert. Mitranga avy koa ity fomba namingavingana an’ity olomanga izay efa Filohampirenena amin’ny fanitsakitsahana ny zony. Ny fanjakana manokana trano ho fonenan’ny filoha rehefa miala eo amin’ny adidiny mikasika ny fitantanana ny firenena izy. Fomba fanajana azy izany, ka tsy mendrika ny fanaovana asana jiolahimboto. Tsy ampy fahamendrehena ho an’izay nanapa-kevitra ary tsy misy fanajana izany hoe mbola ipetrahan’ilay raiamandreny ny fonenana dia efa amidy ilay tanàna izay an’ny fanjakana, ary efa antomotra ny fotoana tsy maintsy ialany vao ampahafantarina ilay olobe, toy ireny olona mitoetra tsy manan-jo ailika arak’izay itiavana hanaovana an’izany. Iza no mahafantatra raha izany tranga izany no nanafaingana ny fahataperan’ny androny, tonga an-tsaina ho azy fa ny fiantefan’izany toetra ratsy izany taminy dia nampilentika alahelo be tsy hita ambara tany am-pon-dRatompokolahy.

    Aiza ihany ity fitondrana eto amin’ny tanàna ity ? Itony ny zon-draiamandreny fanaja no tevatevaina, andaniny anefa firifiry ireo fandinganana ikipina atao toy ny tsy hita. Ny praiminisitra sy ny minisitra araka ny fahafantarana azy dia manana enim-bolana ao aorian’ny fijanonana teo amin’ny fiadidina alohan’ny tsy maintsy ialany avy eo amin’ny tranom-panjakana nonenany. Firifiry anefa amin’ireo minisitra sy praiminisitra no mbola mibodo mibahan-toerana ao amin’ilay tanàna nametrahana azy !!! Maro amin’ireo midongy am-pitoerana tsy tia hahalala noho izy ireo tsy nanahaka an’i Pr Zafy teo amin’ny tsy fanangonana harena tsy ara-drariny angamba. Tena efa tsy misy vidiny intsony izany hoe fanajana ny sasany sy ny fahamendrehan-tena izany, tsy mipetraka ny laharam-pahamehana eo amin’ny maha olona, lany fatahorana ny atao hoe tody. Hany hantenaina dia mba tsy ho anisan’ireo olona nisisika ho akaikin’ny tompom-pahoriana ireo tompon’andraikitra tampony anisan’ny mpanapaka ny famarotana ny tanàna nisy ny fonenan’ny Filoha Zafy Albert.

    Léo Raz

    Les commentaires sont fermées.