Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Vondrozo : dahalo roa lahy nahatrarana basim-borona sy bala anjatony

    Vondrozo  : dahalo roa lahy nahatrarana basim-borona sy bala anjatony

     Lavon’ny balan’ny zandary, afakomaly tao Vohimary Vondrozo ireo dahalo roa raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana amin’iny faritra iny. Basim-borona calibre 16 iray miampy bala miisa 104, moara ary kiririoka saika hoentina hanafika tanàna no tratra tany amin’izy ireo. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary, nidina tany an-toerana hanao fanadihadiana tamina raharaha hafa ireo zandary avy ao amin’ny GAPJ ao amin’ny vondron-tobim-pileovana Vatovavy Fitovinany, nifanehatra tamin’ireo dahalo roa lahy antsoina hoe i Mena sy i Bera. Nohamafisin’ny zandary fa dahalo nokarohina hatry ny ela saingy tafaporitsaka hatrany izy roa lahy ireo. Malaza ratsy amin’ny fanafihana sy halatr’omby miharo vonoan’olona izy roa lahy ireto. Raikitra ny fifandonana satria tsy nanaiky ny fisamborana izy roa lahy ka nifampitifitra tamin’ny zandary. Vokany, maty tsy tra-drano izy roa lahy. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba amin’izy ireo.

    Nohazavain’ny zandary fa ao anatin’ny fitandroana ny zon’olombelona sy manaraka ny lalàna sy fitsipika mifehy azy ireo ny zandary, saingy rehefa tsy maintsy miaro ny tenany izy ireo amin’ny trangan-javatra toy izao, voatery mampiasa ny fahaizana tamin’ny fiofanana nomena azy ao anatin’ny fanarahan-dalàna tanteraka.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.