Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Zandarimaria : namoaka ny mpiofana CS1 – CS2

    Zandarimaria  : namoaka ny mpiofana CS1 – CS2

    Notanterahina ny zoma teo ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny andiany faha-12 CS1 – CS2 administration (Certificat de spécialité du 1° et du 2° degré en administration). Miisa 30 mianadahy izy ireo ka vehivavy ny efatra izay niofana manokana momba ny fitantanana ny fitaovana sy ny ara-bola eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Naharitra efa-bolana mahery kely ny fiofanana, nanomboka ny 11 jona 2017 ka izao nifarana ny zoma 27 oktobra 2017 teo izao. Tonga nanome voninahitra izany lanonana famoahana izany ny jeneraly lefitra voalohany ny kaomandin’ny zandarimaria sy ny jeneraly talen’ny fampiofanana.

    Hentitra ny jeneraly lefitra voalohany ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena izay nampahatsiahy hatrany fa saropady ny asan’izy ireo ka mila fifehezantena sy fahaiza-manao. Nohamafisiny koa ny tokony hifehezana ara-potoana ny teknolojia vaovao izay tsy mitsaha-mivoatra andro aman’alina izay isan’ny nanofanana azy ireo.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.