Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Ambatondrazaka : napetraka ny kolejy fahatelo pastoraly FJKM

    Ambatondrazaka  : napetraka ny kolejy fahatelo pastoraly FJKM

    Nosokafan’ny foibe FJKM, ao amin’ny sekoly Rasalama-Ambohimiangaly ao Ambatondrazaka ny alahady lasa teo, ny kolejy fahatelo, fanofanana mpitandrina. Nambaran’ny talen’io kolejy io, ny mpitandrina Randriariliva Soanirina Seheno, fa tany Imerimandroso-Alaotra, tao Amboniatsimo, no nametrahan’ny misionera anglisy LMS toeram-panomanana toy ity tamin’ny fotoan’androny. Rehefa notombanana, efa simba tanteraka ka mila fanajariana haingana io toerana io vao ho azo ampiasaina. Koa eto Ambohimiangaly aloha no hofanina ireo 25 mianadahy, avy amin’ny lafy valon’ny Nosy, alefan’ny foibe hianatra taorian’ny fifantenana”. Hianatra mandritra ny telo taona ao izy ireo ka ankoatra ny fianarana manokana ireo Testameta, ianarana koa ny tantaran’ny zanak’Israely, ny sivilizasiona grika sy romanina ary mianatra miteny hebreo, dogmatika, “méthodologie”...

    Tsy maintsy manohy ny taona fahefatra eny Ivato, eto Antananarivo avy eo, ny mpianatra vao mahazo ny mari-pahaizana “baccalauréat en théologie”. Vao misantatra amin’ny fanombohana mihitsy izy ireo na efa misy injeniera aza amin’izy 25 mianadahy. Hirahina hitondra fiangonana izy ireo aorinan’izay ary mahazo asa avy hatrany. Manana kolejy mitovy lenta amin’ity ao Ambatondrazaka ity koa i Fianarantsoa sy i Mandritsara.

    Rarivo

    Les commentaires sont fermées.