Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Antenimierandoholona : hozongozonin’ny HVM ny sezan-dRakotomanana Honoré

    Antenimierandoholona  : hozongozonin’ny HVM ny sezan-dRakotomanana Honoré

    Efa nampoizana. Nifamory teny Ampefiloha ary tsy azo natrehina ireo loholona HVM,  eo anivon’ny Antenimierandoholona. Na tsy nisy nipika aza ny dinika, voalaza fa hiroso amin’ny fanonganana ny filohan’ity andrimpanjakana ity, Rakotomanana Honoré, ireto loholona mpiandany amin’ny fitondrana ireto. Mbola          baraingo anefa aloha ny tetika sy  ny paikady entin’izy ireo handravana ny birao maharitra ary hirosoan’izy  ireo amin’ny fanoloana ireo mpitantana ireo.

    Etsy andaniny anefa, fantatra fa  nivory tetsy amin’ny lapa Maitso  Anosikely koa ny eo anivon’ny birao maharitra, tarihin’ny filohany, Rakotomanana Honoré. Hanaiky mora foana izany ve anefa ny tenany sy ny ekipany ? Sa efa voalamina mialoha avokoa ka hizotra saomantsara izao dingana hirosoan’ny HVM izao ka hahatrarana ny tanjona, hametrahana an-dRakotovao Rivo ho filohan’ity andrimpanjakana ity ? Andrasana ny ho tohiny.

    Randria

    Les commentaires sont fermées.