Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Resaky ny mpitsimpona akotry : resy tsy niady

    Mailaka toy izany ny sampam-pitondrana mamoaka fepetra mandrara fihetsiketsehana an-dalambe, na inona na inona antony. Misy tranga tsy sahy sakanana na tsy ifanafenana intsony aza ny fahasahiranana aterany eo amin’ny fifamoivoizana efa mampikolay ny rehetra ary lazain’ny tompon’andraikitra anaovany ezaka ahitana vahaolana. Dia mbola ny sarety sy posy ary ireo kalesa maro karazana no anton-dresaka. Mitombo an’isa izy ireo ary miitatra hatrany ny fahafahany andika ny fepetra mandamina ny fifamoivoizana. Mampitsetra matetika ny fahitana an’ireo zatovo mipatrapatraka atsembohana eo am-pitaritaritana na am-panosehana an’ireny sarety sy posy diso mazefatra nohon’ny lanjan’ny entana nafatratra ho tanteriny indray mandeha. Na izay aza amin’ny alalan’ny adidy fitsinjovana ny zo sy ny haja nohon’ny maha olona, dia tsy efan’ireo sampam-pitondrana samy hafa.

    Mila fahasahina ny famerenana amin’ny laoniny an’izany baranahana rehetra izany. Tsy vitan’olona kery sahy. Tsy ny mpampandotso moa no vitsy, rehefa mikasika vahoaka madinika dia maro no miseho ho loha-laharana mikasika ny fiarovana ny zon’ny madinika raha tsy manelingelina azy. Momban’ity raharaha ity dia ny zavatra lanjalanjaina dia ny fandaminana fanatsarana ny fiarahamonina sy ny tombotsoan’olom-bitsy. Toa mandeha ho azy ny safidy raha toy izany ny fametrahana ny fanontaniana. Tsy arakarak’izay anefa ny fanomezana valiny fa asarotan’ny fandosirana andraikitra nohon’ny fahatahorana fandraisana fepetra enjana ampiharina amina fomba entitra. Ny fiitatr’io toe-draharaha io anefa dia mitory fihemorana, izany hoe mifanipaka amin’ny tanjona voalaza dia ny fampandrosona. Toerana voafaritra no nazaho nizoran’ny fiara tarihan’ny olona na tarihan’ny biby. Rava tsikekikely anefa ny fefin’izany faritra izany nanomboka tamin’ny Tetezamita, amin’izao fotoana izao dia tsy misy faritra voarara intsony. Nohon’ny fitanilan’ny fitantanana, andaniny mahery vaika rehefa tranga manahirana ny fitondrana, mareforefo rehefa tsy mikasika azy mivantana na tazana izao aza fa manelingelina ny fiarahamonina, rehefa ela ny ela mirona any amin’ny fihoaram-pefy ny mponina ary efa tazana mandidona etsy sy eroa ny fikomikomiana. Mila tsy ho toa-teny ny fanjakana, ary mitady anohatra ny mpitandro filaminana izay voalazany heri-pamoretana ny vahoaka. Hitsikitsika tsy mandihadiha foana fa ao raha.

    Léo Raz

     

    Les commentaires sont fermées.