Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Taolagnaro : voafandriky ny 100 tapitrisa Ar ireo mpangalatra taolam-paty

    Taolagnaro  : voafandriky ny 100 tapitrisa Ar ireo mpangalatra taolam-paty

     Saron’ny zandary tao Taolagnaro ireo dimy voarohirohy nahatrarana taolam-paty milanja 120 kg, ny herinandro lasa teo. Noraisim-potsiny teo am-pikasana hivarotra izany tao amin’ny toerana antsoina hoe Andranarana ireto voarohirohy ireto. Nahazo loharanom-baovao mialoha momba ny fisian’ireto mpanao trafikana taolam-paty ireto ny teo anivon’ny zandary any an-toerana ka nanao ny vela-pandrika avy hatrany. Voafitak’ireo zandary tamin’ny telefaonina ry zalahy ka nihevitra tokoa fa hisy mpividy ireto taolam-paty milanja 120 kg. Mitentina hatrany amin’ny 100 tapitrisa Ar ny fifanarahana atao anatin’ny fandrika nentin’ny mpitandro filaminana nisamborana azy ireo. Tratra avy hatrany ry zalahy taorian’izay. Niaiky izy ireo fa tena mpanao trafikana taolam-paty, saingy tsy fantatra kosa ny fasana nangalana ireto taolan-dava marobe ireto. Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ireto jiolahy ireto.

    Tsy fantatra mihitsy hatreto ny marina momba ity raharaha halatra taolam-paty ity. Raha izao no mitohy tsy hisy taolan-kalevina, araka ny fitenenana intsony satria lasan’ny mpangalatra taolam-paty. Tsy mety voavahan’ny fanjakana mihitsy ny ambadik’ity halatra taolam-paty ity.

    J.C

    Les commentaires sont fermées.