Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Mpianatra ho zandary – andiany faha-74 : “tsy misy afa-tsy ny fahaizana ihany no ahafahana…”, hoy ny Kly Harilaza

    Mpianatra ho zandary – andiany faha-74  : “tsy misy afa-tsy ny fahaizana ihany no ahafahana…”, hoy  ny Kly Harilaza

     “Tsy misy na iza na iza, na inona galonany na inona andraikiny ka afaka hampiditra olona ho mpianatra ho zandary, ankoatra ny fahafahany tamin’ny fifaninanana…”, hoy ny talen’ny fitantanana ny olona eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny Kly Ranaivonampoizina Harilaza nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly…

     Nahitsy avy hatrany ity manamboninahitra eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ity fa raha sanatria misy milaza na misy manandranandrana manao izany sy/na milaza fa mahavita manafaka ka maka vola amin’ireo mpiadina dia aoka isika hitandrina fa mpamitaka na mpisoloky izy ireny. Manoloana izany, nanao antso avo ho an’ny rehetra nandray anjara tamin’ny fifaninanana handraisana mpianatra ho zandary andiany faha-74 ity momba ny fisolokiana na fikasana hanao fisolokiana momba izany ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenana. “Efa nanao ezaka ny zandarimariam-pirenena amin’ny fanadiovana ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho zandary ary efa niara-niaiky izany ny rehetra. Tamin’ity indray mitoraka ity, nohatsaraina kokoa noho izay efa natao teo aloha ny fikarakarana ny fanadinana. Miisa 12 ny laza adina amin’ny taranja iray, mpampianatra miisa 12 samy hafa no namorona izany ary nanaovana antsapaka ka ny iray amin’ireo ihany no nanadinana tamin’ny andron’ny fifaninanana”, hoy hatrany ny fanazavan’ny Kly Harilaza.

    Tontosa ny 28 sy 29 avrily 2018 lasa teo ny fifaninanana hidirana ho mpianatra ho zandary andiany faha-74, taona 2017 – 2018. Tsiahivina fa mpifaninana 8 000 mahery ny nisoratra anarana manerana ny Nosy ary nisy sasantsasany tamin’ireo nisoratra anarana no tsy afaka nanatrika ny fifaninanana noho ny tsy fahafenoana ny fepetra notakina tamin’izany.

    Afaka miantso ny sampana miady amin’ny kolikoly eo anivon’ny zandarimaria amin’ireto laharana telefaonina ireto 034 14 013 88  sy 034 14 006 85 na koa ny laharana 034  14  014  53 izay mahita trangana kolikoly amin’ity fifaninanana ity.

    Jean Claude

    Les commentaires sont fermées.