Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

     Antananarivo: 35 511 no nahazo bakalorea

    Nitombo 3% (raha mitaha ny tamin’ny taona 2017) ny taham-pahafahana bakalorea satria 47,47% ho an’ity taona ity teto Antananarivo, araka ny fampitam-baovao avy eny amin’ny ofisy misahana izany. Vita omaly ny délibération ary hatao peta-drindrina, anio, toy ny mahazatra eny amin’ny foibem-panadinana ny lisitr’ireo afaka rehetra. “Azo jerena amin’ny finday koa izany noho ny fiaraha-miasan’ny oniversiten’Antananarivo sy ny orinasam-pifandraisana. 35 511 ny isan’ny mpiadina afaka tamin’ny 74 809 nisoratra anarana. 47,04% ny taham-pahafahana ho an’ny fampianarana ankapobeny, raha 53,70% ho an’ny sampana teknika. Nitombo koa ny isan’ny nahazo ny mari-pahaizana bakalorea ho an’ny sampana teknika ho an’ny taona 2018”, hoy ny talen’ny ofisy, Rakotoarison Olivier.

    Ho an’ny sokajy C, nahatratra 2052 ireo afaka, manome ny taha 59,90%. 8330 kosa ho an’ny sokajy D (51,23%). Ho an’ny sokjy A2, mpiadina 20 180 no afaka amin’ny taha 43,94% ary farany, ho an’ny sokajy A1, nahatratra 2 388 no tafita amin’ny taha 53,92%. Nihena ho 25 ny mpiadina nibata ny “mention très bien” (13 amin’ireo ho an’ny sampana teknika) raha 29 ny taon-dasa, 797 nahazo ny “mention bien” nitombo 30 raha mihoatra ny tamin’ny taon-dasa ary 6 820 nomena ny “mention assez bien” izay nisondrotra 914 ho an’ity taona ity.

    Vonjy A.          

    Les commentaires sont fermées.