Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fiatrehana ny fifidianana: hanohana ny kandidà Rajoelina ny VTKA Antsirabe

    Manao ranolava. Tapa-kevitra ny hanohana sy hampandany ny mpanorina ny IEM koa ny Vondron’ny tanora kristianina ao Antsirabe (VTKA), ahitana fikambanana tanora maromaro. « Tsapanay fa anisan’ny andrasan’ny tanora ny vinan’ny kandidà Rajoelina. Resy lahatra tanteraka izahay fa  kandidà tena niomana sy vonona izy. Nanamafy izany ny hetsika rehetra nataony ary noporofoiny izany tamin’ny propagandy. Tohanana ny olona vonona fa tsy tahaka ny hafa hitsapatsapa hitondra firenena”, hoy izy ireo tetsy Antsakaviro. Nanteriny fa tena vonona hanarina ny firenena ny kandidà laharana faha-13 ary hanadio ny fomba fitantanana. “Ho fanilo hanazava ny fiarahamonina izy, araka ny maha kristianina anay ary mifanojo amin’ny fijerinay. Sahy mijoro izahay fa efa heno avokoa ny vinan’ireo kandidà, saingy miavaka izy amin’ny fahavononana sy ny fahasahiana. Tsy misy resaka takalo io fa faharesen-dahatra ny anay”, hoy ihany izy ireo. Manoloana izany, hanao ny ezaka rehetra hampandany ny kandidà Rajoelina izy ireo any Vakinankaratra ary misokatra ho an’ny rehetra tsy hisalasala hifidy ny mpanorina ny IEM.

    Randria    

     

     

    Les commentaires sont fermées.