Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Aoka ho tony !

    Aoka ho tony !

    Izay ihany e! Tsy misy afa-tsy izay. Aoka ho tony! Vao tamin’ny herinandro lasa teo iny izao ny avy ao amin’ny polisim-pirenena no niantso ny vahoakan’i Fenoarivo Atsinanana ho tony. Taorian’ny sakoroka sy fifanjevoana, niafara tamin’ny fandatsahan’aina ka nahafaty ireo inspektera polisy telo lahy, hoe namita iraka tany an-toerana izany, izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tokoa. Hatramin’izao, mbola mandrimandry ratsy ny tanàna. Miatrana ny fokonolona sy ny tantsaha any an-toerana satria hoe matahotra izay mety ho valifaty ataon’ny polisim-pirenena, hono. Heverina anefa fa olon-kendry ry zareo mpitandro filaminana ka tsy izy ireo indray, sanatria, ny ho azon’ny fakam-panahy hanao valifaty ny namany izany. Aoka ho tony!

    Miantefa amin’ny mpiandany ny kandidà isanisany, ao anatin’izao fampielezan-kevitra efa madiva hifarana izao, koa io antso fitoniana io. Herinandro rahampitso sisa, hifarana ny propagandy. Samy nanezakezaka, nanala izay ho afany ny tsirairay. Tao anatin’izany, nisy ireo nentin’ny tendrim-po tsy mba namana, nentanin’ny hafanam-po tafahoatra loatra angamba ka tonga amin’ny fihoaram-pefy. Ireny nitranga tany Vakinankaratra ireny ny vokany. Nisy ireo namoy ny ainy sy naratra. Tsy zava-baovao fa tranga fahita maneran-tany ny fisian’ny fifandranitana mandritra ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Izany no tena demokrasia. Tokony hahay hifehy tena ny tsirairay avy, hahafehy vava… Ahoana moa ny ahazoana antoka fa hahafehy ny firenena tokoa ilay kandidà raha lany soa aman-tsara eo kanefa ny mpomba azy aza, tsy voafehiny ?

    Na ireto kandidà 26 hoe manohitra ny hirosoana amin’ny fifidianana ireto koa aza, tokony mba ho tony amin’izay koa. Raha ny fandehan’ny toe-draharaha hatramin’izao, nofinofy izany hoe tsy hisy fifidianana izany. Tongotra efa mby an-dakana io ka sarotra ny hanao dia mianoatra indray. Efa filam-baniny, filam-boatsiary, raha izao no mbola hiseho hanao fihetsiketsehana hitondra ho any amin’ny korontana eo. Aoka fotsiny ho tony. Na ny marimarina kokoa, samia tony!

    Mamy Randrian

     

    Les commentaires sont fermées.