Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Badminton – « Master’s »: hanao fampiharana ireo mpikatroka avy any Sina

    Ho fanamafisana ny fahaiza-manao sy ho fampiharana ny fiofanana natrehin’ireo mpikatroka eo amin’ny taranja badminton tany Sina, hisy  ny lalao hotontosaina ny alakamisy 1 novambra izao ao amin’ny kianja mitafo Ankorondrano, handraisan’ireo mpilalao malagasy anjara, nanaraka fiofanana tany Sina, ireo. Lalao eo ambany fiahian’ny federasiona malagasy ary karakarain’ny olon-tsotra mpankafy taranja badminton.

    Natokana ho an’ny sokajy lehilahy ihany ny fifaninanana ho amin’ity indray mitoraka ity ka amin’izany, hotsinjaraina ho vondrona roa ny mpifaninana: ny sokajy A sy B. Ho an’ny sokajy A, nasaina handray anjara amin’izao lalao izao ireo mpilalao valo voalohany mendrika indrindra, raha toa ka ireo mpilalao 18 voalohany indrindra kosa ny ao anatin’ny sokajy B.

    Natao izao fitsinjarana izao hahafahana mijery akaiky ny traikefan’ireo mpikatroka tsirairay vao avy nahavita fiofanana tany Sina.

    Ankoatra ny lalao hotontosaina ny alakamisy izao, mbola maro ny hetsika karakarain’ny avy eo anivon’ny federasiona. Anisan’izany ny fanasana manampahaizana manokana amin’ny badminton, hifampizara traikefa eto an-tanindrazana. Hisy, araka izany, ny fampiofanana ireo mpanazatra “niveau 1”, ny 5 ka hatramin’ny 12 novambra ho avy izao ao amin’ny efitrano kely ao Mahamasina. Ho tonga hitondra ny anjara birikiny ho fampitomboana ny traikefan’ny mpanazatra mpalagasy amin’izany ny manampahaizana maorisianina, i Annirao Dhjoe. Mpandray anjara eo amin’ny 10 eo hatrany, toy ny mahazatra, no andrasana, raha ny nambaran’ny mpikarakara. “Marihina fa efa roa taona lasa izay ny nisy fifampizarana toy izao teto Madagasikara ka anton’izany indrindra izao”, hoy hatrany ny fanazavana.

     

    Mi.Raz

    Les commentaires sont fermées.