Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Karting-4GP: norombahin-dRajoelison Tommi

    Karting-4GP: norombahin-dRajoelison Tommi

    Mbola voatazona ny anaram-boninahitra ho an-dRajoelison Tommi, rehefa nanamarika isa ambony izy, omaly nandritra ny ambaratonga farany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara 2018, karting, natao teny amin’ny Total Karting Imerintsiatosika. Sahirana ihany ity mpifaninana ity nandritra ny dingana voalohany satria niady mafy nanoloana an’i Nathan Baumann izy. Na izany aza, nanezaka mafy ary tsy nanaiky raha tsy izao nibata ny fandresena izao. Izy no tafapetraka teo amin’ny laharana voalohany tamin’ny lalao famaranana nanaovana fihodinana in-13 teo amin’ny lalana Total Karting Imerintsiatosika. Azo lazaina ho ambony ny haavo teknikan’i Tommi miohatra ny mpifanandrina sasany satria na nihamafy aza ny fitsapana tamin’ity dingana farany ity, tsara hatrany ny fe-potoana ho azy.

    Tanteraka ny fanamby napetrany, ny hitazona hatramin’ny farany ny anarana maha tompondaka azy. Marihina fa indroa misesy izao no nitazonana izay anarana izay.

     

    Mi.Raz

    Les commentaires sont fermées.