Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Rugby – «Gold Top 20»: resin’ny JSTA ny 3F5 Amboditsiry

    Rugby – «Gold Top 20»: resin’ny JSTA ny 3F5 Amboditsiry

    Nitohy, omaly alahady tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahefatra hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby “Gold Top 20”. Voahaja avokoa ny laojika, tamin’ity, satria nivoaka ho mpandresy avokoa ireo ekipa goavana. Anisan’izany ny nandresen’ny JSTA Ambondrona ny 3F5 Amboditsiry, tamin’ny isa 18 no ho 17. Niady ny fihaonana teo amin’ny roa tonta na somary mafimafy aza ny fifandonana teny ambony kianja. Nanokatra ny isa ny Amboditsiry, tamin’ny alalaon’ny baolina nentin-tanana, vitan’i Pouna, saingy tsy voatsaran’i Lalakely. Tetsy ankilany, nanohitra hatrany ny Ambondrona, notarihin-dry Navalona sy ry Bouba. Nanomboka nahafaty baolina izy ireo ary nihoarany mihitsy ny isa teny amin’ny solaitrabe.

    Ny FTM Manjakaray indray, nanamontsana ny XV Avenir, tamin’ny isa mavesatra 73 no ho 13. Efa nampoizina ny vokatra satria nanantombo tamin’ny lafiny rehetra na teknika na taktika ny Manjakaray, notarihin-dry Mika sy ry Gervais ary ry Koroka. Nisesy ny baolina nentin-tanana vitan’izy ireo na teo amin’ny fizaram-potoana voalohany na teo amin’ny tapa-potoana faharoa. Toy izany koa ny nanilihan’ny 3FB ny UIRC, tamin’ny isa 43 no ho 16. Mbola mipetraka ny traikefa ho an-dry Julio sy ry Rija, tamin’ity. Nahazo fahombiazana ihany koa ny TFA Anatihazo, nandavo ny FBM Bemasoandro. 29 no ho 13 ny nahazoan-dry Rasta sy ny namany ny fandresena. 16 no ho 10 kosa ny nandavoan’ny XV Fa ny ASA Ambohimanarina.

     

    Tompondaka

    Les commentaires sont fermées.