Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fiandohan’ny volana: mety hiakatra ny vidin-tsolika

     

    Tsy novain’ny fanjakana ny vidin-tsolika ny fiandohan’ny oktobra teo, saingy nampiakariny ny tapaky ny volana septambra. Raha ny tokony ho izy, mihatra any amin’ny mpanjifa ny vidin-tsolika tamin’ny roa volana  lasa. Rehefa nozohina ny fiovaovany teo amin’ny tsena iraisam- pirenena, niaka-nidina izany saingy tsy niova firy. Nahatratra 68 dolara ny barila ny fiandohan’ny aogositra, niakatra 70 dolara ny septambra, 76 dolara ny oktobra ary tafidina 66 dolara izao fiandohan’ny novambra izao.

    Nihen-danja ny Ariary

    Mampiova ny vidiny aty amintsika koa ny fiovaovan’ny sandambola ariary miohatra amin’ny dolara, izay tsy nitsahatra nihen-danja tato anatin’ny roa volana farany. Nisanda 3.350 Ar ny 1 dolara ny 31 aogositra ary tafakatra 3.560 Ar ny faran’ny oktobra.

    Raha aravona ireo, mety hiakatra indray ny vidin-tsolika amin’ity volana novambra ity, saingy tsy fantatra ny fanapahan-kevitry ny fanjakana, indrindra amin’izao fotoam-pifidianana izao.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.