Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Nanolana ankizilahy: 5 taona an-tranomaizina R. Justin

    Niakatra fitsarana ady heloka bevava, omaly tao Toamasina ny raharaha fanolanana ankizilahikely 9 taona tao Sahavola Fenoarivo Atsinanana, ny 27 jolay 2017, araka ny antontan-taratasin’ady laharana faha 108-Toa/18 nanenjehana an-dRatinarimanana Justin, 57 taona. Raha ny fanazavan’ity voampanga ity, tsy tao an-trano ny vadiny tamin’io fotoana io fa nandeha tany ambanivohitra. Tonga tao an-trano ilay ankizilahikely ary notambatambazany ka nanamparany ny filan-dratsiny. Niaiky ny heloka vitany izy nandritra ny fifandaharana teo anoloan’ny fitsarana. Nambarany tamin’ny fiarovan-tenany fa nihevitra ity raim-pianakaviana ity fa tsy mahavoasazy ny manolana ankizilahy ka tsy sahy nanao izany tamin’ny ankizivavikely. Tsy naharitra ny fifandaharana teo amin’ny voampanga sy ny fitsarana ka niafara tamin’ny 5 taona an-tranomaizina sazy mihatra.

    Sazy 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy kosa no azon-dRamananjila Théogène tamina raharaha fanolanana sy fanafihana tao Tanambao fahadimy, ny 22 janoary 2016. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny naman’ity jiolahy ity.

    Sajo sy J.C

     

     

    Les commentaires sont fermées.