Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fanahiana korontana: matoky ny fahendren’ny rehetra ny CFM

    Matoky ny fahendren’ny tsirairay izahay mba samy handray ny andraikiny ary hitandro lalandava ny soatoavina, mifototra amin’ny fihavanana”, hoy ny fanambaran’ny CFM, omaly. Notsiahivin’izy ireo fa mandia vanim-potoana sarobidy sy saropady ny firenena ankehitriny ka mila fitandremana fatratra avy amintsika mianaka. “Anisan’izany ny olom-pirenena tsy ankanavaka, avy amin’ireo mpilatsaka hofidina sy ireo mpiara-dia amin’izy ireo, avy amin’ireo rehetra voakasika mivantana amin’ny fikirakirana ny valim-pifidianana, hatrany amin’ny fototra ka hatraty amin’ny tompon’andraikitra faratampony misahana izany, ary avy amin’ny mpitondra isan’ambaratongany”, hoy ihany ny CFM.

    Nahatsapa izy ireo fa marobe ireo karazam-baovao, mety hitovy na koa mety hifanohitra, ka mety hiteraka fiahiahiana. Ny ahiahy anefa, tsy ihavanana, araka ny fanambarana. “Tsy hitera-boka-tsoa na oviana na oviana ho an’ny tanindrazana izany. Mifamahofaho etsy sy eroa ny vaovao momba ny resaka fifidianana. Mila fahamalinana sy fandanjalanjan’ny rehetra ny famoahana sy ny fandraisana azy ireny ka fadina ny fihinanana amam-bolony amin’izany”, hoy ny CFM. Nanterin’izy ireo fa fototry ny fifampitokisana, ahatongavana amin’ny fitoniana sy ny fitandroana ny fihavanana, ny fahamarinana.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.