Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Isika, tsy hiady…

    Isika, tsy hiady…

    Tantara nisy sy niseho tatsy Afrika ka tokony hakantsika lesona. Averimberin’ireo teratany roandey isaky ny mahita ireo vazaha nampiady azy izy ireo rehefa mifanena aminy eny an-dalana ny hoe “Izahay, tsy hiady…”. Nandaitra izany rehefa naka lesona tamin’ny tantarany ity firenena ity. Rotiky ny ady an-trano sy ny fifamonoana noho ny nataon’ny vazaha i Roanda. Anetsiny ireo maty tamin’ny resaka adim-poko. Nampiasain’izy samy Roandey nifamonoana ny basy sy ny famaky ary ny antsy lavalela. Nirarakompana ny faty olona… samy iray tanindrazana, saingy samy hafa foko, nizara ho andaniny sy ankilany. Taona vitsy aty aoriana, tonga saina ny rehetra. Manomboka amin’ny tsirairay ka hatrany amin’ny mpitondra tao aminy fa hay nampiadiana izy ireo tamin’ireny fotoana ireny. Tena tsy very maina ny ra latsaka fa zary lasa zezika nampiroborobo ny fitiavan-tanindrazana sy ny hambompon’ny vahoaka ao an-toerana. Nijoro sy sahy izy ireo. Tsy nanaiky intsony niaraka tamin’ny fitarihan’ny mpitondra tao aminy. Lasa lavitra ity firenena rotiky ny ady an-trano ity amin’izao fotoana izao ary miavaka eo amin’ny samy firenena afrikanina. Efa voasokajy ho anisan’ireo firenena misandratra, teny famerimberin’ny mpanao politika eto amintsika. Niray fo sy saina… Nanaraka ny fitsipi-pifehezana ary tsy mandika izany ho didy jadona. Nialany ny tenin’ireo vazaha nampiady azy ka nampiasa ny teny anglisy izy ireo, ankoatra ny tenin’ireo foko ao aminy. Madio ny tanàna satria madio ny toe-tsaina. Misongadina sy mijoalajola ireo fotodrafitrasa samihafa satria nanaiky ny fandaminana ny vahoaka. Nihena be mihitsy ny tahan’ny kolikoly… Nampitamby ireo vahiny mpitrandraka ny harena teo aminy ny mpitondra any an-toerana. Iray isan-jato, ho an’ny mpampiasa vola fa 90% kosa, ho an’ny Roandey raha ny nifamadika amin’izany ny teo aloha. Mandeha mody rehefa tsy manaiky izany fepetra izany… Ampahany ihany amin’ny niaingan’i Roanda ireo. Te hilaza fa azo atao tsara ny manao dingana tahaka izany. Tsy manaiky ny “zarazarao hanjakana”. Miainga amin’ny soatoavin’ny firenen’ny tena. Mametraka ho ambony ny hambompo sy ny fiandrianam-pirenena, tsy baikoin’ny hafa. Fotoana izao tokony hamerenantsika io tenin’ny Roandey rehefa mifanena amin’ny vahiny io hoe “Izahay, tsy hiady…”. Aoka isika tsy hiady àry!

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.