Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Halatra  tao Canada Toamasina: voasambotra i Basile, karohina ny namany

    Halatra  tao Canada Toamasina: voasambotra i Basile, karohina ny namany

    Nifanenjehana nanomboka tamin’ny 11 ora alina ka hatramin’ny 3 maraina, ny alin’ny talata 20 novambra hifoha ny alarobia 21 novambra lasa teo, tao amin’ny fokontanin’ i cité Canada nihazo ny fokontanin’ i  Depot ka voasambotra ihany  tao amin’ny fokontanin’ i Vohitsara raha efa diva haraina ny andro Rakotonirina Basile 25 taona. Namaky trano sy nangalatra moto Rs tao amin’ny  cité Canada izy io. Raha ny fanazavan’ny kaomiseran’ny Fip ao Ankirihiry, Rafaliarivo Jules, naharay antso  avy tamin’ny fianakaviana vaky trano izy ireo ary tonga ara-potoana niaraka tamin’ny polisy.  Fantatra fa roa lahy nanosika ilay moto halatra.  Nampiasa hafetsena tanteraka ireo jiolahy satria nobatain’ireo ila moto mba tsy hahitana ny diany.

    Tsy nikely soroka ny polisy fa niezaka nanao izay heriny hatrany ka tratra ihany ny tanjona.  Tamin’ny 3 ora maraina no voasambotra ny iray  raha tafaporitsaka kosa ny faharoa ary tafaverina tamin’ny tompony ny moto .

    Sajo

    Les commentaires sont fermées.