Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Tselatra

    Mody matory ireo jiolahy. Izany indray ny fomba fiadin’ireo jiolahy rehefa tsy te ho tratran’ny polisy izy ireo. Voasambotry ny polisy teny amin’ny Vatobe 67 ha ireto jiolahy mody natory ireto. Maro ireo mitaraina fa misy andian-jiolahy eo amin’ny 10 eo ho eo manao andiany manendaka eny amin’iny faritra iny rehefa aminy alina. Niditra an-tsehatra avy hatrany ny polisy ka noraisim-potsiny izy roa lahy ireto. Nahitana antsy lavalela tany amin’izy ireo nandritra ny fisavan’ny polisy.

    Mirongatra koa ny fanendahana eny Faravohitra tato ho ato. Jiolahy mpanendaka tarihin’i Maintikely izany no mampitondra faisana ireo mpandeha an-tongotra sy mpandeha fiara amin’iny lalana midina avy any Faravohitra mihazo an’Antaninandro iny. Ireo mpianatra sy mpandeha fiara anaty fitohanan’ny fifamovoizana no tena mitondra faisana. Tokony hojeren’ny mpitandro filaminana akaiky iny toerana iny fa manjaka tanteraka ny jiolahy.

     

    Les commentaires sont fermées.