Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Hoesorina amin’ny asany ny mpiasan’ny Ceni…

    Hoesorina amin’ny asany ny mpiasan’ny Ceni…

    Fanadiovana faobe. Nivoitra tamin’ny fivoriana nikaton-trano nataon’ny Ceni, ny faran’ny herinandro teo teny Alarobia, fa hiroso amin’ny fandroahana ireo mpiasa sasany eo aminy izy ireo. “Tsy nahavita ny asa nankinina aminy izy ireo. Teo koa ireo niandany tamin’ny kandidà ka tsy maintsy nandraisana fepetra”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Rakotonarivo Thierry. Anisan’ny nahitana izany kitoatoa amin’ny asa na koa fiandaniana izany ary koa ny tsy fanarahan-dalàna teny anivon’ny kaominina sy ny distrika sasany. Efa nialohavan’ny fanadihadiana izany vao nandraisana izany fanapahan-kevitra izany.  Na izany aza anefa, tsy maintsy hosoloina ireny mpiasan’ny Ceni tsy nanara-dalàna ireny ary ho ato anatin’ny fotoana fohy satria efa hiroso amin’ny fifidianana fihodinana faharoa koa isika ato ho ato.

    Hatsaraina ny fomba fiasa

    Ankoatra izany, tapaka tamin’ny fihaonana fa hohatsaraina ny fomba fiasa hialana amin’ny tsy fahatomombanana niseho sy ny lesoka farany teo. Anisan’izany ny tsy tokony hahatara ny fahatongavan’ny biletà tokana any amin’ny Birao fandatsaham-bato (BV). Eo koa ny fijerena manokana ny “logiciel” anisan’ny nanakianan’ny kandidà ny Ceni. “Hatsaraina avokoa izany, indrindra ny fikirakirana ny voka-pifidianana… Hanaovana fikaonandoha manokana izany fanatsarana fomba fiasa izany. Hiantsoana ireo mpiara-miombona antoka vahiny sy ireo fiarahamonim-pirenena ary ny mpanao politika na koa ny mpanara-maso ny fifidianana”, hoy ihany izy. Natsidiny fa mety ho aorian’ny famoahan’ny HCC ny voka-pifidianana ny hanatanterahana izany fikaonandoha izany.

    Synèse R.

     

    Les commentaires sont fermées.