Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fetin’ny Noely: fihenam-bidy ho an’ny finday Telma

    Fetin’ny Noely: fihenam-bidy ho an’ny finday Telma

    Manome fahafaham-po amin’izao fanombohan’ny fiatrehan’ny fetin’ny Noely sy ny  fiafaran’ny taona izao sahady ny Telma. Nanomboka ny 23 novambra teo, ny fihenam-bidy goavana amin’ireo vokatra samihafa, indrindra ny finday takatry ny fahefa-mividin’ny tsirairay. Ahitana fihenam-bidy hatrany amin’ny 35%, miainga amin’ny 19.000 Ar hatramin’ny 239.000 Ar. Voakasik’izany ny finday Telma Legend, mora indrindra eto Madagasikara. Eo koa, ny Telma Like Mi, ny Telma Eagle, ny Telma Play, ny Telma F1+4G ary ny Telma Titan, izay mafy sady matanjaka.

    Hita manerana ny fivarotan’ny Telma Shop manerana ny Nosy avokoa ireo entana ireo, hitsinjovana sahady ny fanomezana ho an’ny Noely sy ny faran’ny taona ho an’ny namana sy ny fianakaviana manontolo.

    Njaka A.

    Les commentaires sont fermées.