Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Voka-pifidianana: niarahaba an-dRavalomanana sy Rajoelina ny Amerikanina

    Firenena voalohany nanao fanambarana. Amin’ny anaran’ny vahoaka amerikana, tiako ny hiarahaba ireo kandidà ho filoham-pirenena rehetra tamin’ny fanatevenana ny adihevitra demokratika teto Madagasikara. Miarahaba an’Atoa Ravalomanana sy Atoa Rajoelina noho ny fitokisana nomen’ny vahoaka malagasy azy ireo sy ny fanambarany ny faharesen-dahatra avy aminy hanohy hanaja ny Lalàmpanorenana sy ny zotram-pifiidanana mangarahara”, hoy ny mpiandraiki-draharaha Amerikanina, eto amintsika, i Stuart Wilson, afakomaly. Naneho ny fahavononany hanamafy ny fiara-miasa ho fanohanana ny filaminana sy ny fampandrosoana ao anatin’izao firosoan’i Madagasikara amin’ny fihodinana manaraka amin’ny fifidianana, ny volana desambra izao i Etazonia, araka ny nambarany.

    Tsiahivina fa efa niarahaba sy nidera ary nankasitraka ny vahoaka malagasy nanefa ny adidiny amin’ny anaran’ny vahoaka amerikanina tamin’ny nahavitan’ny fifidianana filoham-pirenena, ny 7 novambra teo, i Stuart Wilson.

    Filoha hiantoka ny tany tan-dalàna sy fanjakana tsara tantana

    Notsiahiviny fa eo anilan’i Madagasikara hatrany ity firenen-dehibe ity, tao anatin’ny 150 taona, nifandraisan’ny firenena roa tonta.“Manohana hatrany ny demokrasia », hoy ihany izy. Nanteriny fa nijery sy nanara-maso ny fizotry ny fifidianana izy ireo ka nahita taratra ny tsy nisehoan’ny fandrangitana na savorovoro ary herisetra.

    Ankoatra izany, natsidiny sahady fa manana andraikitra amin’ny fametrahana sy fiantohana tany tan-dalàna, ny fanajana fanjakana tsara tantana ny filoha ho voafidy ara-dalàna eo.

    Synèse R.

    Les commentaires sont fermées.