Oops! It appears that you have disabled your Javascript. In order for you to see this page as it is meant to appear, we ask that you please re-enable your Javascript!
Flash
    Préc Suiv

    Fiatrehana fifidianana: nametraka paikady amin’ny propagandy ny “IIIe”

    Mipetraka ny stratejia hiatrehana ny fifidianana fiiloham-pirenena, fihodinana faharoa. Tsy vitan’ny kabary sy famoriam-bahoaka fotsiny ihany izany. “Mandeha andiany 100 ireo mpikambana ary mitety isan-tokantrano, midina any anaty fokontany 34 any. Miara-miasa amin’ny fikambanana maro ety amin’ny boriborintany fahatelo koa izahay amin’izany hanentana ny olona hifidy ny kandidà Rajoelina”, hoy ny mpitarika ny fampandaniana ny kandidà laharana faha-13, Rahantason Mamy. Nanao hetsika fanentanana tetsy amin’ny zaridaina Henri Fraise Ankorondrano izy ireo, ny asabotsy teo. Nanentanana ny olona handeha hijery sy hanamarina ny anarany indray amin’ny lisi-pifidianana izany mba tsy ho very zo. Manampy sy manohana izany ireto mpitarika ireo ary manoro lalana ny olona ny tokony hatao rehetra ary koa tsy ho variana. “Tsy hoe efa nandresy tamin’ny fihodinana voalohany ka hipetra-potsiny fa entanina hatrany ny olona. Eo koa ny fampianarana ny fampiasana ny biletà tokana tsy ho lasa vato maty”, hoy ihany izy.

    Randria

    Les commentaires sont fermées.